Vita izay ny fety ! Hiverina amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fanamby napetraka ny fitondram-panjakana vao voafidy. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany iny ny filohan’ny Repoblika. Mazava ny teny nataony fa tsy maintsy tazomina ny vava navoaka, indrindra mahakasika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy miaraka amin’ny tsy afaka izy… fa misokatra amin’izay vonona.
Anisan’ny nanaitra tamin’ny lahateny ny mahakasika ny olona izay hiara-miasa aminy. Nilokaloka izy fony fampielezan-kevitra fa tsy maintsy hijery manokana ireo niara-niasa taminy sy nikely aina nampandany azy. Nanome toky hanome valimbabena ireo sakaiza mahatoky. Nilaza fa hanova ny fomba fiasa ka hifantina ny mitovy tadin-dokanga. Niova anefa ny fomba fiteny tamin’ny faran’ny taona.
Tsy maintsy hisokatra amin’ny hery hafa ivelany izy. Tsy hijerena an’izatsy na izaroa, mpiara-mitolona fa izay olompirenena vonona ny hampandroso an’i Madagasikara dia tongasoa. Nilaza ny filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy hijerena traikefa sy fahaiza-manao ny olona hiara-mitantana aminy. Dia ahoana tokoa moa izany ireto mila ranondranony sy mpila « 19 » marobe, efa manantena ny toky nomena tany anaty ady ?
Tsy kilalaon-jaza anefa ny fitantanana firenena. Tsy natao ho andrakandrana sy fitadiavana tombontsoa manokana. Rariny raha manamafy dieny ety am-piandohana ny filoha Rajoelina Andry. Izy rahateo no hiangonan’ny rihatra, isak’izay misy olona manao raha tsy manjary na tsy mahafehy ny asany. Henjankenjana rahateo ny fanatanterahana ireto fampanantenana ka mila olona sahy sy ampy fahalalana hanatanteraka izany. Mazava be olona vonon-kiady sy afaka miaro ny fitondrana amin’ny dimy taona ho avy no ilaina.
r.r