Razanadrakoto Jackie Nantenaina, na i Jack’s Raz, eo amin’ny mozika. Ankoatra ny maha mpamorona feon-kira sy tonony azy, havanana amin’ny fanentanana lanonana ihany koa izy. Fantatra fa hanohy ny lalana nodiaviny ity mpanakanto ity. Mifototra indrindra amin’ny fampiasana ny feon-gitara hoenti-mandravaka ilay feo avo sy kanto ary rakotra angola i Jack’s Raz.
Mirona amin’ny fikarohana mipaka hatrany amin’ny fanajariana gadona vaovao izy. Anisan’ireny ny nitadiavany ny marimaritra iraisana eo amin’ny slow sy ny RnB tao anatin’ilay tsanganasany voalohany «Tsy nofinofy». Mahafehy gadona mihetsika (Afro beat, zouk love, sns) ihany koa izy.
Fandrindrana tsotra nefa kanto. Miampy ny tononkira mora raisina sy ahenoina hafatra mafonja. Akora hoentiny maneho ireo trangam-piarahamonina tetsy sy teroa, ho tonga zavakanto. Mampiavaka ny mpanakanto Jack’s Raz izany. Hain’ity mpanakanto ity rahateo ny milalao ny feony miaraka amin’ny famolahana ny lantom-peo. Voajanahary ny angolam-peo omeny. Tetikasany ny famoahana ny rakipeo amin’ny endriny manaraka vanim-potoana.
Manana rohim-pihavanana amin’i Taa-Tense, mpanakanto niavaka tamin’ny fananana feo manga sy avo izy, raha ny fanazavany. Anisan’ ireo sangany tamin’ny fanaovana hiragasy teto Imerina ihany koa ny dadabeny.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto