Badminton – Mada 2023 : ligy efatra hiady ho lohany

Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao izany. Handray anjara, hiady izay ho lohany, amin’izany ireo ligim-paritra efatra mandrafitra ny federasiona : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Hiady lohany amin’io ny sokajy «sénior A, B, C, D» sy ny «vétérans». Eo koa ny «junior» U9, U11, U13, U15, U17. Fifaninanana ho an’olon-tokana, lahy sy vavy, avokoa no hatao mandritra io.

Famaranana ny taom-pilalaovana 2023 ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho tanterahina amin’ny faran’ny herinandro ambony io. Tokony ho ny volana desambra ny nanatontosana izany. Noho ny antony tsy niankina tamin’ny federasiona dia nahemotra. Ankoatra izay, hanana ny lanjany manokana ity fifaninanam-pirenena ity fa hahazoana isa ho an’ireo mpilalao tsirairay, amin’ny filaharan’izy ireo ao anatin’ny fihaonana karakarain’ny federasiona.

Torcelin

Partager sur: