Vita kabary? Andrasana ny vava asa avy hatrany, aorian’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao. Fe-potoam-piasana vaovao izao, taona vaovao, fomba fiasa vaovao… Tsy ho tanteraka izany, raha tsy misy ny fiovana sy fanovana ny fomba fijery amin’izay atao: tena miasa, miasa tsara. Mba misy fiantraikany mivantana sy mivaingana ny asa. Ho an’ny vahoaka no antom-pisian’ny mpitondra, nampindrana fahefana azy, nanaovany fanamby. Hatraiza ny fanajana an’izay? Indrindra ny tamberinan’andraikitra amin’izany… Miara-dalana eo ny hoe fanjakana tan-dalàna, tsara tantana, mangarahara…
Ho an’ny mpanohitra, mbola ho vaindohan-draharaha ihany ve, sanatria, ny fanaratsiana, fanenjehana, fankahalana… Izay no hoe fanoherana? Nefa fampandrosoana ny firenena sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka no imasoana. Mby aiza ny tsikera hanatsara zavatra? Fanairana, tolo-kevitra, fiaraha-miasa araka izay azo atao… Eo koa ny ady fahefana amin’ny maha mpanohitra: ady fiady… Mba handeha amin’ny ara-dalàna, amim-pahamendrehana sy amim-pitoniana, fa tsy voatery hikorontanana sy hanakorontanana. Miomana hiatrika ny fifidianana manaraka sa… ? Ilaina ny hetsiky ny antoko hahazoana toerana eny amin’ny parlemanta mpanao lalàna, raha lalàna hatrany no hoe mampifanditra.
Vava asa avokoa izany? Tsy vitan’ny asa vava… Ho hitan’ny ataony eo izay tsy manam-piovana na tsy manova fitana: taona iry, iry ny lalàna; taona ity, ity ny lalàna… Efa tsy mandaitra firy amin’ny vahoaka intsony ny vava be? Na tsy mahita ravina avaratra ny be vava… Tsy efa mba hita soritra tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo izay tokony hatao amin’ny manaraka na amin’izao sisa izao? Na ny adala ihany no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany…
R. Nd.