Maty tsy tra-drano! Voatifitry ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao amina kaominina Andranomiely, Ankazobe. Jiolahy telo kosa maratran’ny balan’ny zandary.
Nataon’ny dahalo hazalambo! Maty voatifitra ny ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, ny alahady 7 janoary teo, tamin’ny 11 ora alina. Nangingina nandritra ny herinandro vitsy ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana, nanao ny ataony indray ireo olon-dratsy.
Tsy fantatra mazava ny anton’ny nikarohan’ireo dahalo ilay ben’ny Tanàna lasibatra. Sady Tsy nangalatra omby no tsy nandroba izy ireo. Nanao be fiavy, nitady ilay olom-boafidy. Vantany vao hitany izy, tsy nisy alaharo, notifirina variraraka. Rotidrotiky ny bala, tsy tana ny ainy. Ahiana ho lonilony manokana no namonoan’ireo dahalo azy, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka fa tsy fantatra ny anton’ny famonoana”, hoy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria, Ankazobe.
Dahalo telo voatifitra
Mitohy hatramin’ny omaly alina, ny fanarahan-dia ireo dahalo nanao io habibiana io. “Voatifitra ny telo tamin’izy ireo saingy mbola nentin’ny namany nandositra”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. “Manao hazalambo azy ireo izahay”, hoy ny loharanom-baovao.
Marihina fa nitohy hatry ny omaly, any Kiangara, tanàna nalaza ratsy tamin’ny fakana an-keriny ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny vatan-dehilahy an’arivony. Andrasana kosa ny vokatry ny fanarahan-dia ataon’ny zandary ireo dahalo namono ilay ben’ ny Tanàna tao Andranomiely.
Tsiferana R.