Nanakorontana : lehilahy roa tratra tao anaty hotely

Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Antsiranana, omaly, ny lehilahy roa tompon’antoka tamina fanakorontana tao anaty hotely iray any an-toerana. Nanatanteraka asa toy ny fanaony isan’andro ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny trangana tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fisiana trangana fanakorontanana tao amina trano fandraisam-bahiny iray. Tsikaritry ny polisy tamin’izany ny fihetsik’ireo roa lahy hafahafa sady nitabataba tao anatiny. Niditra an-tsehatra ny polisy mba hisorohana ny mety ho korontana. Tsikaritra tamin’izany fa nifampila vaniny sady niady no hita tao. Tsy nisalasala ny polisy nisambotra azy roa lahy. Nahitana antsy maranitra tao am-paosin’ny lehilahy iray nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany izy ireo. Na teo aza izany, tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin’ireo olona tao anaty hotely fa voafehin’ny polisin’ny Fip izany.

J.C

Partager sur: