Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ny lehilahy iray misoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Efa amam-bolana maro no nilazany fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy. Maro ny fitoriana voarain’ny zandary momba azy. Fotoana maro ihany koa no nangalarany sy nisolokiny volan’olona noho io filazana feno fisandohana io.
Tsy misy mitombina avokoa ny fampanantenana sy ny fanomezan-toky, raha ny tatitra nampitain’ny zandary. Misy rahateo ireo olona sasany roboka avy hatrany satria te ho mpiasam-panjakana. Reseny lahatra ka mihevitra tokoa fa mahatafiditra izy. An-tapitrisany, araka izany, ny vola efa azony tamin’ny lasibatra am-polony.
Niroso tamin’ny fisamborana ny zandary noho ny fitarainana maro voaray. Mbola nanompa sy nandrahona ireo zandary ary nampihorohoro ny mpanao fanadihadiana izy. Nilaza fa tsy maintsy hiantso olona ambony ao amin’ny mpitandro filaminana hanelanelana ny raharaha. Nanamafy rahateo ny tenany, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary, fa misy olona maromaro mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa fisolokiana ataony. Eo am-pikarohana izay olona nolazainy ireo ny zandary. Mitohy ny famotorana ity mpisoloky ity.
J.C




