Miezaka mametraka vina hanafoanana ny fahantrana ao anaty tontolo azo iainana ny Banky iraisam-pirenena. Araka ny tatitra nataony ny fiandohan’ny taona 2024 teo, karohina ny paikady vaovao iarahan’ny rehetra, indrindra ny sehatra tsy miankina
Mametraka fanamby vaovao ny Banky iraisam-pirenena, mba hisian’ny fampandrosoana mahomby, ho an’ny rehetra ary afaka miatrika ny krizy sy ny fiovana samihafa amin’ny fotoana maharitra. Voalaza ao anatin’ity tatitra ity fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra hanatrarana ny tanjona. Mila mamokatra betsaka, mamorona seha-pihariana vaovao, ao anatin’ny fijery miabo sady azo tanterahina.
Navoitran’ny Banky iraisam-pirenena fa « efa vonona hiasa ny olon-drehetra, te haneho ny asan’ny tanany. Satria te hanana fiainana tsara kokoa ho an’ny zanany sy ny ankohonany. Mila entanina sy ampirisihina izany, satria lasa mampihemotra ny fampandrosoana raha tsy atao ».
Manana andraikitra ny tsy miankina
Araka izany, nametraka paikady maromaro ny Banky iraisam-pirenena hanafainganana ny fampandrosoana maneran-tany, satria tsy atao am-bava fotsiny izany fa mila asa mivaingana. Ny vokatra tsara no tena tadiavina fa tsy ny hoenti-manana. Sehatra marolafy no mila tohanana, toy ny fampitomboana ny ankizivavy miditra an-tsekoly, ny famoronana asa, ny fampihenana ny fiparitahan’ny entona karbôna, CO2, ny fampitomboana ny famatsiam-bola ny sehatra tsy miankina, sns.
Manamafy ny Banky iraisam-pirenena fa tsy maintsy karohina ny fomba hanohanana ny sehatra maro samihafa, afaka hitandro ny toetr’andro, hifehezana ny valanaretina, mamokatra sakafo betsaka ary handresena ny faharefoan’ny fahantrana. Manana ny anjara andraikitra lehibe amin’izany ny sehatra tsy miankina. Andrasana amin’izy ireo ny hanarahana ny lalana noraisin’ny Banky iraisam-pirenena hatramin’izay, hatry ny taona maro, satria ilaina ny fiaraha-miasa.
Njaka Andriantefiarinesy