Manana sambo miisa 23 ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), entina hanarahana maso ny sehatry ny jono eto amintsika. Fantatra fa tsy nisy afa-tsy roa monja izany tany aloha, nentina niadiana tamin’ny jono tsy manara-dalàna.
Miparitaka manerana ny morontsirak’i Madagasikara ireo sambo miisa 23 ireo, tantanin’ny Foibe manara-maso ny jono (CSP). Manara-maso ny jono tsy ara-dalàna, sady afaka manao vonjy aina ihany koa raha sendra misy ny loza an-dranomasina mitranga.
Miara-miasa amin’ny mpanjono ny CSP. Tsy misy intsony ny olana amin’ny lafiny solika. Satria mitentina 1 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny famatsiana solika an’ireo sambo miisa 23 ireo. Azo atao avy hatrany ny miantso ny laharana 032 07 039 54 na ny 034 49 102 33 raha sendra misy mahita tranga mampiahiahy eny an-dranomasina eny. Tena ilaina tokoa izany satria maro ireo sambo vahiny manjono tsy ara-dalàna aty amin’ny morontsirak’i Madagsikara, izay mahatratra 5 400 km.
Araka ny vaovao nivoaka ny 28 aogositra 2021, tao amin’ny fampahalalam-baovao renioney, Linfo.Re, nahatratra 84 ny sambo aziatika nanjono tsy ara-dalàna taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny taona 2019 hatramin’ny 2021.
Njaka A.