Tapitra tamin’ny taona 2023 ny fe-potoanan’ny Drafi-piarahamiasa eo amin’ny Rafitry ny Firenena mikambana (SNU) sy ny firenena malagasy. Misy indray ny famolavolana drafitrasa vaovao ho an’ny taona 2024-2028, entina hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny Firenena mikambana (ONU).
Anisan’ny rafitry ny SNU, ao amin’ny ONU, ny Fandaharanasa iraisam- pirenena mahakasika ny sakafo (Pam), ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ny Tahirimbolan’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Fnuap) ary ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny ankizy (Unicef).
Miankina amin’ny lohahevitra lehibe efatra ny drafitrasan’ny SNU amin’ny fanjakana malagasy. Voalohany, ny fanamafisana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Faharoa, fampiroboroboana ny maha olona. Fahatelo, ny fanosehana ny famokarana sy ny famoronana asa mamokatra miteraka karama sahaza ao anatina toekarena afaka mifaninana. Ary fahefatra, ny fanamafisana ny fitantanana maharitra, afaka miatrika ny zava-misy mihatra amin’ny tontolo iainana, sady andraisan’ny rehetra anjara.
Vokatra tsara
Nampahatsiahivin’ny mpandrindra ny SNU eto amintsika, Issa Sanogo, ny fahavononan’izy ireo ao anatin’ity lasitra fiaraha-miasa ity. « Ahafahana manohy ny fanohanan’ny rafitry ny Firenena mikambana hanohana ny mpitondra malagasy sy ny vahoaka ity drafitrasa ity ho any amin’ny fisandratana. Tsy maintsy ilain’ny rehetra ny miara-mientana, ny mandray andraikitra, mahomby, ahazoana vokatra tsara, hanatrarana ny tanjona ODD 2030 », hoy izy.
Atao amin’ity volana janoary ity ny fankatoavana farany ny drafitrasa ho an’ireo rafitra efatry ny SNU. Ao anatin’izany ny drafitrasa ho an’ny taona 2024.
Njaka A.