Toamasina : olona 16 nosamborin’ny polisy

Nitrangana asan-jiolahy nitondra antsy lavalela tao Ankirihiry Avaratra, Toama­sina, ny sabotsy alina teo. Tovovavy iray hamonjy fodiana no nisy nanendaka teo anoloan’ny tranombarotra iray amin’ny Lalampasika. No­tapenan’ireo jiolahy ny vavany saingy afaka niantso vonjy ihany izy. Nivoaka ny olona teo amin’ny manodidina ka lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Firavaka teny an-tendany no lasa. Latsaka teny am-pitsoahana ihany koa ny antsy lavalela fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsy. Nambaran’ireo mponina, ao amin’ny fokontany Ankirihiry Avaratra, fa efa ho iray volana izay no nanao ny ataony ny jiolahy amin’iny lalana miditra ny Lalampasika iny.
Lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana rehefa amin’ny hariva. Manoloana ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Toamasina, mitohy ny hetsika fampandriana fa­halemana ataon’ny polisy. Nanamafy izy ireo fa voaray avokoa ny fitarainana rehetra ataon’ny olona ka antony nahatonga ny hetsika fam­pandriana fahalemana. Tohi­vakana ny fisamborana ireo olona mampiahiahy ny zoma sy ny sabotsy teo. Mamp­i­taraina ny olona ny fisian’ireo andian-jatovo miloka sady mifoka rongony no manendaka sady mangalatra. Mialoha izao, efa nisy olona 13 no efa voasambotra tao Tanambao fahadimy, ny zoma teo. Ni­ampy 16 hafa indray izany tao Ambolomadinika sy Mora­rano.

J.C

Partager sur: