Maty nihotsahan’ny tany ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo tao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina ambanivohitr’Ikongo, afakomaly hariva. Tao anatin’ny orambe nikija no nitrangan’ny loza. Teny an-dalana hody izy ireo no niseho tampoka ny loza. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana sy ny zanany telo, raha naratra mafy kosa ilay raim-pianakaviana. Olona iray hafa koa namoy ny ainy, tao amin’ny fokontany Ambolomadinika, Ikongo, vokatry ny fianjeran’ny trano, tamin’io fotoana io ihany. Tokantrano dimy, ahitana olona 21, no tsy manan-kialofana ka efa nafindran’ny tomponandraikitra amin’ny toerana azo andraisana azy ireo. Mijohy tsy ankiato rahateo ny orana amin’iny faritra iny. Miakatra ny rano, indrindra eny amin’ny faritra iva. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra amin’izao fotoam-pahavaratra izao mba hialana amin’ny loza toy izao, indrindra ireo trano efa ahina hirodana.
J.C