Manao be fiavy manohitra ny mpanafika sy ny mpambotry azy ny fokonolona, ankehitriny. Miara-miasa akaiky ny zandary sy ny mponina any ambanivohitra
Niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny fokonolona sy dahalo ny fanarahan-dia natao ireo dahalo efa-dahy mpangalatra omby tao amin’ny tanànan’ Anatanimangotroka, kaominina Ambesisika, ditrikan’Ambato Boeny, afakomaly. Nirongo fitaovam-piadiana, nanafika tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Norobainy tamin’ izany ny omby 40. Naharay io loharanom-baovao io, nidina ifotony nanampy ny fokonolona ao an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nanao tari-dositra nihazo ny kaominina Mangabe ireo mpandroba. Nirohotra nanenjika ireo dahalo ny vatan-dehilahy tao an-tanàna.
Nitifitra mpitandro filaminana…
Nahatazan-davitra, nitifitra ny mpanara-dia azy ireo dahalo. Raikitra ny fifandonana tao amin’ny kizon’i Marosakoa, kaominina Madirovalokely. Nikiry hanohitra hatramin’ny farany ireo dahalo fa tsy naharesy tosika ny zandary sy ny fokonolona. Lavon’ny mpitandro filaminana ny telo lahy. Tafaporitsaka ny iray namany. Naverina amin’ny tompony avokoa ireo omby halatra miisa 40. Raha tsiahivina, mateti-pitranga ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambato Boeny. Lavo tamin’ izany ny telo lahy mpanakan-dalàna tao Andranofasika RN4, ny 6 janaory teo.
Indroa nandroba teny amin’io lalam-pirenena io ireo lavo ireo.
Tsiferana R.