Vonona sy vanona

 

Tsy ho ela! Mialohan’ny tapatapaky ny volana janoary no ho teraka Ambatobevohoka. Hivoaka tsy ho ela ny mpikambana anatin’ny governemanta. Efa sasa-miandry ny ambany lanitra. Mitaintaina kosa ireo nanatitra antontan-taratasy. Miandry ny finday haneno, sao anisan’ireo voaantso hanao adina sy halaina am-bavany. Maro ny te ho minisitra!
Raha ny fanadihadiana natao, misokajy efatra ny olona tonga eny Mahazoarivo sy ao Ambohitsorohitra. Misy ny mitsapatsapa vintana, milaza mazava fa sao mba voaray. Tahaka ny olona rehetra mitady asa. Hita taratra fa tsy baikoin’ny fitiavan-tanindrazana fa hikatsaka tombontsoa manokana.
Misy indray ireo mba manam-piniavana hiasa ho an’ny taninjanaka saingy toa tsy matoky ilay rafitra tiany hidirana. Mbola kikisan’ny ahiahy nateraky ny fomba fiasan’ireo tandapa sy ny mpitondra sasany teo aloha. Manahy ny ho zary mpiray tsikombakomba tsy fidiny amin’ny tsy fetezan-javatra. Milaza ihany anefa fa tsy afaka manova raha tsy ao anatiny.
Ny ampahany fahatelo, dia ireo tena vonona sy vanona. Te hametraka tantara ho an’i Madagasikara amin’ny famerenan-kasina ilay firenena. Misy ny manam-pahaizana sy vonona hampiseho fahendrena. Te handiso ny filazana fa tsy handroso mandrakizay raha ny Malagasy sy ny taniny. Manam-piniavana ny handrava ny kisary miiba napetraka hatrizay. Hitady ny fomba rehetra hoenti-manavotra sy hoenti-manampy ny mpiray tanindrazana.
Ny sokajy fahefatra, ireo efa zatra ny lalan-dririnina sy ny efa teo ihany no te hiverina. Mikajy ny hanohizana ny asa efa natomboka, andaniny. Miezaka miaro ny tombontsoa efa nigohana nandritra ny taona maro, ankilany. Mialokaloka amin’ny fifanohizan’ny raharaham-panjakana.
Na izany na tsy izany, miandry izay mba vanona ho vonona ny Malagasy fa tsy ireo vonona kanefa tsy vanona.

r.r

Partager sur: