INDRAY MIJERY

Efa mihodina ny “Centrale solaire” ao Marovoay. Misitraka izany ny vahoaka ao an-toerana ankehitriny. Ny volana jolay 2023 no nanombohana ny asa fametrahana ireo Panneaux solaires ary ny 05 desambra lasa teo ny Réception technique. Mamokatra herinaratra 500kWC io ivontoerana io.

Nampahafantatra ny CHUSSPA fa efa tonga ny karazam-baksiny avy any ivelany. Anisan’izany ny Stamaril miaro amin’ny tazovony, ny Vasigrip miaro amin’ny gripa ary ny Dultavax miaro amin’ny tetatosy sy lefakozatra…. Eo koa ny Pentaxim miaro amin’ny karazan’aretina maromaro.

Nampahafantatra ny masoivoho japoney fa ny Espace Japon, ao anatin’ny faritry ny masoivoho, dia misokatra ho an’ny besinimaro manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva. Mitondra karapanondro mba hahafahana misitraka ny zava-misy ao. Izay rehetra ao dia zahana eny an-toerana avokoa.

Ho fiomanana mialohan’ny loza dia nisy ny fanofanana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza any amin’ny faritra Anosy. Nisy ny fanentanana teny amin’ny fiarahamonina. Novatsian’ny Unicef ny fiofanana ary nitohy tamin’ny fizarana “Boîte à image” hanaovana fanentanana.

Partager sur: