Vary lo any Toamasina : Pakistaney roa hatao famotorana

Taorian’ny tany Mahajanga, nisy vary tanaty kaontenera telo koa tratra tany Toamasina. Tsy mbola nisy ny Malagasy tompon’andraikitra ambony voarohirohy.

Naharay vaovao ny zandary eto Toamasina, fa misy ny tambajotra mikirakira vary lo, ny alatsinainy 8 janoary teo. Nihetsika avy hatrany izy ireo, ka natao ny fanarahan-dia tany amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Tratra teny Antanan­dava ny kaontenera miisa telo, feno vary efa simba, saika hampidirina anaty magazay iray. Natao ny fitsirihana ka mbola nahitana vary lo ihany koa tao amin’ny trano fitahirizan’entana miisa telo (laharana 2,4 ary 5). Hita tao ny fitaovana fanasivanana vary sy milina fanjairana gony, nanoloana ny nisy vary simba. Milanja 22 taonina ny vary simba saika hodiovina sy haparitaka ary hampiakarina aty Antananarivo.

Teratany pakistaney roa lahy, tompon’ny vary, no hataon’ny zandary sy ny polisy famotorana. Sahirana ny mpanao fanadihadiana satria tsy mahay teny frantsay na anglisy, afa-tsy ny fiteniny ihany izy roa lahy. Tsy mbola fantatra ny Malagasy tompon’andraikitra niray tsikomba notononin’izy ireo, noho izay hasarotana amin’ny lafiny teny izay. Nahavariana koa ny namoahana ireo vary avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, nefa tsy nisy taratasy na iray aza tany amin’izy ireo.

Ho dorana ireo vary simba
Nivory omaly, ny fiombonan’ny mpitandro filaminana OMC. Tinapaka fa ho hafainganina ny fikarakarana ny antontan-taratasy ahafahana mandoro ireo vary simba ireo, anio.
Araka ny fampitam-baovao hafa, nangatahin’ny fitantanam-paritry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana (DRICC) Atsinanana, ny hamoahan’ny Fitsarana didy hanapotehana ireo vary simba anaty kaontenera telo ireo. Nanaiky ny hanapotehana ny vary koa ireo pakistaney tompony.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: