SOMBIM-BAOVAO

Miisa 17 ireo Malagasy voafantina mialoha ta­min’ny lalao fifantenana izay natao teny Nanisana, ny alahady 7 janoary lasa teo. Marihina fa hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika 2024, izay hatao any Paris, ny volana febroary any Dakar izy ireo. Samy nanaovana fifantenana avokoa ny sokajy lahy sy vavy.

Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao, eny Ambatomirahavavy, ny fifaninanana “Grand Prix”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ny Petanque Club Imerintsiatosika (PCI). Mitentina 8 tapi­trisa Ar ny loka homena amin’io fifanintsanana io.

Joshua Kimmich, alemà vodilaharana, milalao ao Bayern Munchen FC, ilain’ny ekipa frantsay Paris Saint Germain FC (PSG) France, amin’izao fotoana izao. Mpilalao mahay mipetraka amin’ny toerana roa i Kimmich, dia ny vodilaharana havanana sy ny irakiraka mpiaro. Tsiahivina fa tsy mbola nanome valin-teny izy.

Miteraka resa-be amin’izao fotoana izao ny mariazin’ilay senegaley mpilalao baolina kitra, Sadio Mané. Nanambady ny anabaviny izy, araka ny vaovao miely ao anaty tambajotran-tserasera. Marihina fa 31 taona izao i Sadio Mané raha toa ka 19 taona ilay vadiny, nampiakariny ny alahady lasa teo.

Partager sur: