Misaona ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana tany Allemagne, teo amin’ny faha-78 taonany, ilay kintan’ny kitra alemà, i Franz Beckenbauer, ny alatsinainy lasa teo. Ny aretina efa nitaiza azy hatry ny ela no nitarika izao fodiamandriny izao.
Tsy tao Allemagne ihany ny nahafantarana azy fa saika nanerana izao tontolo izao mihitsy. Anisan’ny nampiavaka azy, ny fahazoany ny amboara maneran-tany indroa ka ny iray ny taona 1974 fony izy mbola mpilalao. Ny faharoa, ny taona 1990 tamin’izy mpanazatra ny National Mannsachaft. Vodilaharana afovoany ny toerana nisy azy, ary anisan’ny andrin’ny fiarovantenan’ny Mannscahft. Noho izay fahaizany izay, nahatonga ny mpijery hametaka ny anarany hoe : Kaiser (Amperora), eny ambony kianja.
Efa maro ny anaram-boninahitra azon’i Beckenbauer. Inefatra nandrombaka ny tompondakan’i Allemagne, niaraka tamin’ny Bayern de Munich (1969, 1972, 1973, 1974). Indroa nahazo ny “ballon d’or”, ny taona 1972 sy 1976. Kaiser Beckenbauer, vodilaharana nahazo izany voalohany. Anisan’ny nampiroborobo ny kitra tany Amerika ny tenany rehefa nilalao tao amin’ny New-York Cosmos, niaraka tamin’i Pelé. Ny taona 1983 izy no niakatra kianja farany. Nampiavaka azy teny ambony kianja ny fahaizany manaja ny mpifanandrina sy ny mpitsara ary ny talentany.
Tompondaka