Ny sakaizany ihany no ahiana ho namono ilay mpianatr’Andrainjato Fianarantsoa ny alin’ny misasakalin’ny Noely. Rehefa maty, mbola nalana ny lelany sy ny sofiny.
Naiditra vonjimaika any am-ponja, ny 8 janoary teo ny sakaizan’ilay vehivavy maty nisy namono tao Alakamisy Itenina, Fianarantsoa. Olona efatra ahiana ho voasaringotra tamin’io raharaha io no nosamborin’ny mpitandro filaminana. Niakatra tao amin’ny fampanoavana, ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fianarantsoa izy ireo. Taorian’ny fihainoana azy ireo, tsy afa-bela ilay tovolahy sakaizan’ilay lasibatra.
Raha tsiahivina, maty novonoina tamin’ny fomba niharo habibiana ny vehivavy iray. Mbola mpianatry ny oniversite, nonina tao Andakana, fokontany Sangasanga kaominina alakamisy Itenina. Ny alin’ny sasakalin’ny Noely, 24 desambra 2023 no nitrangan’izany.
Hanao fety…
Nikasa hody hankalaza ny fetin’ny Noely ao amin’ny tanàna niaviany ilay tovovavy, ny andro namonoana azy. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy. Ny zava-nisy dia niharan’ny hasomparan’ny sasany izy. Notaperina hatramin’ny ainy. Nanaovan’ireo olon-dratsy ny filan-dratsiny ity vehivavy 22 taona ity. Noesorin’ireo tsy valahara ny masony sy ny lelany ary ny sofiny, taorian’izay.
Nanokatra fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana taorian’ny fahitana ny razana. Nisy ny fizahana ifotony sy ny fikarohana izay nahavanon-doza. Nitodika tany amin’ny sakaizany ny ahiahy. Niafara tamin’ny fisamborana olona efatra sy fampidirana am-ponja vonjimaika izany.
Tsiferana R.