Ankadikely : lehilahy namboly rongony tanaty vazy

Saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Ankadikely Ilafy, afakomaly, ny lehilahy iray vao 19 taona. Nisy olona nahatsikaritra ny fisian’ity lehilahy mamboly rongony anaty fitoeram-boninkazo ity ka niantso polisy avy hatrany. Voamarina tokoa ny fisian’ireo rongony nambolena tao anaty fitoeram-boninkazo ireo. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, mbola nahitana rongony 12 fototra tao an-tranony. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa fohany ireo rongony ireo sady amidiny ihany koa.
Tratran’ny polisy tao Ambatondrazaka, fokontany Madiotsifafana, afakomaly, koa ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina. Teo an-tsenan’Ambatondrazaka no nahatrarana azy noho ny fiaraha-miasa tamin’ny DAS (Détachement autonome de sécurité) sy ny polisy. Fantatra fa nandeha bisikileta miaraka amina gony feno rongony hihazo ny tsena ity lehilahy ity. Tratra teo am-pivarotana izany tao an-tsena izy. Rongony milanja 5 kg no tratra tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy.

J.C

Partager sur: