Natomboka omaly ny fizarana zana-kazo tao amin’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd) Vakinankaratra. Marihina fa maimaimpoana ny zana-kazo alaina any amin’ireo Dredd manerana ny faritra 23 eto amin’ny Nosy, saingy misy kosa ny fepetra hentitra tsy maintsy arahin’ny mpangataka, sady arahin’ny teknisiana maso eny amin’ny toerana hambolena ny hazo.
Tafapetraka ireo tetezam-by vonjimaika miisa roa eny amin’ny RN4. Anisan’izany ny eny Antanambao Andranolava (PK 498+400) sy eny Mangapaika (PK 505). Efa andalam-pahavitana kosa ny fanintelony any Antsevabe (PK 43+200). Misy ny fahatapahan-dalana isan’alina amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 4 ora marina, hatramin’ny alatsinainy 15 janoary, hamitana ny asa.
Misy ny fepetra manokana tsy maintsy arahin’ny mpiompy trondro any amin’ny distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany ny fananana karatra maha mpiompy, ny karinem-pivarotana trondro, ny fisian’ny afisy samihafa. Tanjona ny hisorohana ny halatra trondro, ka mila mandray ny andraikiny ny tsirairay. Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, ny 10 janoary teo, nanentanana ny rehetra.