Nampahafantatra ireo fambaran’aretina heverina ho tiberkilaozy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mila mailo raha toa ka mihamahia, tsy mazoto homana, mikoha-maina maharitra…Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tiberkilaozy. Toraka izany ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny zaza mila fitiliana.
Mitohy ny lamina amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Omaly no anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny 0, 1, 2. Anio kosa ny anjaran’ireo miafara amin’ny 3, 4, 5. Rahampitso ny an’ny 6, 7, 8, 9. Mitohy ny alatsinainy, ny an’ny A, B, C, D, E raha ho an’ireo mitondra procuration ny talata ho avy izao.
Miisa 60 mirahavavy ireo miatrika ny fifanakalozana “YESS girls movement”, tanterahina any Uganda. Ankizivavy avy amin’ny firenena 12 hita aty Afrika sy Asia pasifika izy ireo. Nanainga ny faran’ny herinandro teo izy efatra mirahavavy solontena ny Mpanazava eto Madagasikara. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ireo mpandray anjara YESS 2024. Mandritra ity herinandro ity izy ireo no hiatrika izany any an-toerana.
Mamerina ny fanentanana ny CUA amin’ny fanajana ny lamina amin’ny fanariana fako eny amin’ny daba iraisana. Nisy koa ireo mbola minia manary fako hafa sy hazo avy notapahina, eny amin’ireny dabam-pako ireny, ka nanaovana fampitandremana. Ny fako tsotra avy ao an-tokantrano ihany no ariana eny amin’ny daba iraisana.