Andranomanelatra : mpianadahy niara-maty nilatsaham-potaka

Mpianadahy indray no niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka, afakomaly, tany Andranomanelatra Antsirabe nandritra ny oram-baratra niseho tany an-toerana.

Ankizy mpianadahy nia­ra-namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao Tsa­raravaka, Andrano­ma­nelatra, Antsirabe II, afakomaly. Nivatravatra ny orana ka nialoka teo ambany lavarangana ilay ankizy iray. Nitazana io mpiray tampo aminy io avy eny an-davarangana ny iray. Tetsy ankilany, variana tamin’ny raharaha tao an-trano ny reniben’izy mianadahy ireo sady tsy nanampo na inona na inona. Poa toy izay, nirefotra tampoka ny varatra. Nihazakazaka nijery ireo zafikeliny io vaviantitra io. Nitsitra tamin’ny tany anefa izy mianadahy. Nozahana ny vatany ka may kilan’ny afo ny tratran’izy ireo. Niezaka hanavotra azy roa ny fianakaviany. Tsy afa-nialana nenina intsony anefa ireo lasibatra ireo fa maty teo no ho eo. Marihina fa 13 sy 15 taona ireto ankizy namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’ny varatra ireto. Vao ny faran’ny herinandro teo, telo mianaka anatin’ny fianakaviana iray hafa lasibatry ny filatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Soatsiovana, kaominina Manandroy, distri­kan’Ambohimahasoa.

Tsiferana R.

Partager sur: