Manana ny lazany ao Anosizato Andrefana ny Balary Stadium. “Fotodrafitrasa natsangana hamolavolana ireo ankizy ho tonga matihanina amin’ny baolina kitra”, hoy Rabekijana Soloariala, tomponandraikitry ny serasera sady “staff téchnique”.
Gazety Taratra (*): Inona ny antony nananganana ny Balary Stadium?
Rabekijana Soloariala (-): Voalohany indrindra ny fitiavana ilay taranja. Eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa filalaovam-baolina eto Anosizato. Fampivoarana ny tanora tsy hivarilavo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, hamerenana indray ny lazan’ny kitra teto Anosizato, nipoiran’ireo sangany nandrafitra ny ekipam-pirenena, toa an’i Baby any La Réunion sy ny Me Typeh (FC BFV) sy ny maro hafa tsy voatanisa.
* Mieritreritra ny hanokatra sekolin’ny kitra izany ianareo?
– Tetikasanay mihitsy ny hanangana sekolin’ny baolina kitra saingy ny manao zavatra tsy mora. Mbola eo am-pandaminana izahay mpitantana, indrindra ny amin’ny safidy ho an’izay ho “coach” sy ny “instructeur”, hisahana izany.
* Ho an’Anosizato ihany ve ilay tetikasa?
– Tsy mialon-jafy izany sekoly izany fa natao ho an’ireo rehetra liana. Afaka miditra ao avokoa na avy aiza na avy aiza, rehefa misokatra izany, izay hirariana tsy ho ela. Tanjonay rahateo ny hamoaka ankizy ho matihanina amin’ny baolina kitra.
* Nanao ahoana ny vokatra herintaona nisian’ny Balary Stadium?
– Hatreto aloha, tsy mitsanga-menatra ny Balary Stadium raha mitaha amin’ireo kianja efa misy. Tsy mifaninana amin’izy ireo izahay fa miezaka manatsara ny efa misy sy ny vita. Afapo izay rehetra efa nilalao sy nanjifa ny kianja.
* Hijanona ho an’ny kitra ihany ve sa hisokatra amin’ny taranja hafa?
– Hifantoka amin’ny baolina kitra aloha satria izay no fotodrafitrasa voatsangana fa aoriana hanana fijery hafa arakaraka ny fahafaha-manao. Ny toerana rahateo mbola malalaka.
Dinika nangonin’i Torcelin