Nitohy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny fanomanan-tenan’ny Ankoay Seniors, lehilahy, hiatrika ny fifaninanana, Pré-qualiafication « Afrobasket 2025 ». Fifaninanana hatao eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao. Mpilalao 12 hatramin’izao no efa mivondrona ary andrasana kosa ireo mila ravinahitra.
Fandaharam-potoana goavana miandry ny taranja kick-boxing malagasy, amin’ity taona 2024 ity ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona fa hivoaka tsy ho ela ny tetiandro 2024, mahakasika ny fandaharam-potoana rehetra.
Hatao ny 2 hatramin’ny 4 febroary izao, ny fifaninanana « Grand Slam de Paris », taranja judo. Rasoanaivo Razafy Laura (-70 kg) sy i Christiane Vital (-52 kg) no hisolo tena ny Malagasy, mandritra ity fifaninanana ity. Hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika 2024”, hatao any Paris, ny “Grand Slam de Paris”.
Nanainga omaly, ny Malagasy solontena, hiatrika ny fifaninanana “Série A d’Athènes”, taranja karate. Fifaninanana efa nanomboka ny 9 janoary lasa teo ary hifarana ny 15 janoary izao, any Athènes. Mpikatroka, eo amin’ny sokajy vehivavy, miisa 5 no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity.