Maty voatifitry ny polisy tanaty elakela-trano iray eny Anosibe, omaly, ireo mpanendaka roa lahy mpampihorohoro ny mponina. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo.
Mafy ny fifandonana teo amin’ny polisin’ny UIR sy ny jiolahy teny Anosibe akaikin’ny tsena, omaly vao maraina. Maty rotiky ny balan’ny polisy raha nikasa hanohitra ny mpisambotra azy ireo ny jiolahy roa. Marobe ireo fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ny trangana tsy fandriampahalemana eny Anosibe sy ny manodidina.
Ny fanendahana sy halatra ary fanafihana mitam-piadiana no tena malaza ratsy eny an-toerana. Nisy, araka izany, ny hetsika manokana nataon’ny polisy avy amin’ny Hery vonjy taitra. Nanomboka afakomaly alina hatramin’ny omaly maraina ny hetsika. Niditra tany an’elakela-trano ny polisy. Nanenjika ny jiolahy avy manao ny asa ratsiny ka miditra amin’ny toerana kizokizo. Anisan’ny mampanano sarotra ny fanenjehana sy ny fisamborana azy ireo izany. Tapitra anefa ny andro nahafahan’ireto mpanendaka nanao ny asa ratsiny.
Nikoizana
Efa nikoizan’ny mponina eny amin’ny boriborintany fahefatra, ireto jiolahy mpanendaka ireto. Maherisetra ka na ny polisy tonga isambotra aza niharan’ny fihantsiana. Raikitra ny fifanjevoana vao nahatazana ny polisy ry zalahy dia namoaka antsy sy sabatra. Efa niandry kendritohina ny hamono. Vokany, tsy maintsy nitifitra ny polisy. Maty, lavon’ny bala izy roa lahy. Ankoatra ny sabatra sy antsy lava, nisy «big boss» tany am-paosin’izy ireo.
Ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika eto an-drenivohitra ry zalahy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Nisy naman’izy ireo tafaporitsaka tao anaty fifanjevoana. Eo am-pikarohana azy ireny ny polisy.
Tsiahivina, anisan’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana eny Anosibe sy ny manodidina: fanendahana, fanafihana miharo vono olona, mpandroba anaty taxi-be…
J.C