Lehilahy 29 taona nanolan-jaza nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nitantara ny nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizivavy iray 14 taona, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’ i Mandoto, ny harivan’ny 9 janoary teo. Nirahan-dreniny hividy menaka atao amin’ny sakafo io ankizy io, tamin’ny 6 ora hariva. Nifanena lehilahy monina tsy lavitra ao an-toerana izy. Noteren’io tsy valahara io hanao firaisana taminy anefa ilay ankizy tsy ampy taona. Niezaka nanohitra izany ilay ankizivavy. Nanampatra ny heriny sy ny filany ilay lehilahy ary nitsoaka nandositra taorian’izay. Nihazakazaka nihazo ny trano fonenany io ankizy voaolana io. Notantarainy tamin’ny ray aman-dreniny ny nanjo azy ka nametraka fitoriana izy ireo. Voasambotra ny nahavanon-doza. Nentin’ny zandary atao famotorana ity farany. Sazy henjana… Tsiahivina, hahazo sazy henjana ireo rehetra manao fanolanana, araka ny nambaran’ny Filoha Rajoelina, nandritra ny lahateniny, ny alin’ny 31 desambra teo.
Tsiferana R.