Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka nanararaotra nikasa hamaky ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Ratsoa. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy, omaly, tao Amboromanina fokontany Andranovao, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano. Nisy nahatsikaritra ity jiolahy ity niditra tao an-tranon’olona ka niantso ny zandary ao
amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny mpifanolo-bodirindrina. Tsy lavitra ity trano novakiny ity anefa ny misy ny zandary ka fotoana fohy taorian’izay, tonga ireo mpitandro filaminana. Efa voahodidina zandary ilay trano nidirany. Teo am-pivoahana mihitsy izy no nandrangaranga antsibe nikasa hanohitra ireo hisambotra azy. Tifitra avy hatrany anefa no niantefa teny aminy ka maty tsy tra-drano Ratsoa. Nambaran’ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimangakely fa efa inefatra vaky ity trano saika hidirany ity. Jiolahy mpirenireny ao Ambohimangakely sy ny manodidina izy io sady tsy manana adiresy mazava. Tsy vitan’izay fa efa intelo nigadra noho ny raharaha fanafihana. Jiolahy mpanakan-dalana sady mpanendaka eo Ikianja, Ambohimahitsy hatrany Ankadindramamy, Ambatomaro Ratsoa. Efa nokarohin’ny zandary hatry ny ela ihany koa izy saingy tafaporitsaka hatrany. Anisan’ireo jiolahy voatonona tamina fanafihana mitam-piadiana tao Tsarahasina, ny oktobra 2023, izy.
Jean Claude