Naratra mafy ny jiolahy iray nanendaka mpivarotena teny 67 ha, afakomaly alina. Nisintona tampoka ny poketra teny an-tanan’ilay mpivarotena ilay jiolahy, namaly ny lasibatra. Nifampitolomana teo ilay mpanendaka. Azo ny poketra teny an-tanany saingy naratra mafy, noho ny daroka nahazo azy, kosa ilay olon-dratsy. Tafatsoaka anefa izy taorian’izay.
Tohivakana ny vokatra azon’ny polisy ao amin’ ny kaomisaria foibe ao Mahajanga. Nisy ny fametrahana paikady ho fitandroana ny fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’ity faritra ity, tao anatin’ny 10 andro voalohan’ny taona 2024. Ny alatsinainy 8 janoary teo, nisy halatra moto-crosss tao Mahavoky Atsimo. Tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’izany. Naverina amin’ny tompony ilay moto.
Vehivavy telo sy lehilahy iray mpangalatr’omby saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Antemitra, kaominina Antanifotsy,omaly. Nitrangana halatr’omby efatra tao amin’ny tanànan’ny Faravohitra, ny alin’ny 9 janoary teo. Nametraka fitarainana tao amin’ny zandary ny tompon’ omby. Nanao fanakanan-dalana ny zandary ka voasambotra ny vehivavy telo sy lehilahy iray tompon’ antoka.
Dahalo iray maty voatifitry ny polisy tao Ankililaoka Toliara II, omaly. Nandritra ny fanarahan-dia omby halatra no nisian’ny fifandonana ka nitarika ny fahafatesan’ity malaso ity. Tafaporitsaka ireo namany niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Tsy nisy naratra kosa ireo mpanara-dia. Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby halatra rehetra. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary.