FANTINA sy FINTINA

Hampahafantarina anio, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Efa tokony ho omaly izany saingy mbola nisy fandaminana farany amin’ny ho toerana iandraiketan’ireo minisitra sasany.

Mitaky ny fiverenana amin’ny soatoavina « Fihavanana » ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny tenany tamin’izany. Nambarany koa fa ilaina ny fitoniana, taorian’ny toe-draharaha teto ireny.

Tena fototry ny fahasahiran’ny firenena ny olan’ny fitantanana, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly. “Vahaolana amin’izany ny fanajana ny lalàna ka tsy hisy ny mpanararaotra fahefana sy ny tsimatimanota”, hoy izy.

“Tsy nametraka “CV” eny an-dapa aho ary tsy hiditra anaty governemanta”, hoy ny filoha mpanorina ny FTT sady kandidà, Razafinjoelina Tahina. “Ny antsika tsy seza, tsy ny olona no olana, fa ny fampandrosoana. Ndao hampitovy fomba fijery ny tena fampandrosoana”, hoy izy.

Partager sur: