Tafiditra ao anatin’ny vehivavy 100 voalohany mitondra aingam-panahy, nosafidin’ny MMFLP (Mouvement mondial des femmes leaders panafricaines), i Hajanirina Harisoa Muriel. Vehivavy, Malagasy mpilalao basikety, ao anatin’ny ekipam-pirenena Ankoay izy ary nahazo vokatra tsara tamin’iny taona 2023 iny.
Notanterahina nanomboka ny alarobia lasa teo, tany Namibie, ny fifaninanana « ITF Junior Africa », lalao “par équipe”, taranja tenisy, sokajy junior. Nahazo fandresena roa ny ekipa nasionaly malagasy. Ny lehilahy U16, nandresy an’i Lesotho tamin’ny isa 3 no ho 0 ary ny vehivavy U14, nandavo an’i Angola, 3 no ho 0.
Nanolotra baolina kitra ho an’ireo ligim-paritra 22 sy ny «Pureplay Football League» (PFL) ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao taom-pilalaovana izao. Tsiahivina fa ny FMF, manana fanamby goavana ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana «Mondial 2026», izay hatao any Etats-Unis, miaraka amin’ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô.
Notanterahina ny alarobia alina teo, tany Espagne, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran ‘ i Espagne «Super Coupe», taranja baolina kitra. Lavon’ny Real Madrid FC, tamin’ny isa 5 no ho 3, ny ekipan’ny Atletico Madrid. Tsiahivina fa mbola hihaona indray ny Real Madrid sy ny Atletico Madrid amin’ny fiadiana ny amboaran‘ny Liga.