Haintrano tao Tanjombato: telo mianadahy maty kilan’ny afo

Zaza telo, zanak’olona mpianadahy niara-maty vokatry ny haintrano tetsy Tanjombato, afakomaly. Mbola nialana nenina ny iray saingy namoy ny ainy omaly maraina nanaraka ireo zokiny roa.

Indray mipi-maso! Kilan’ny afo ny zaza telo mianadahy, telo taona ny roa lahy ary 5 taona ilay vavy, tao Ambany Andrefana, anatin’ny fokontany Tanjombato, kaominina Tanjombato, distrikan’ Atsi­mondrano, ny harivan’ny alakamisy teo. Nohidin’ny rainy tao an-trano izy telo mianadahy ireo. “Mivarotra eny an-tsena ny asako. Navela tato an-trano ny zanako mianadahy sy ny zanaky ny anadahiko hisorohana ny tsy fandriampahalemana”, hoy Raketamanga Marguerite, renin’ireo mpianadahy. Mbola nitsidika ireo zanany sy nanara-maso ny ataon’izy ireo tao an-trano anefa ilay renim-pianakaviana ny tolakandron’ny alakamisy teo, tamin’ny 3 ora. “Natory daholo izy telo ka niverina nivarotra aho”, hoy hatrany izy. Poa toy izay, nisy niantso tao an-tsena izy fa mirehitra ny tranon’izy ireo, tamin’ny 5 ora hariva. Kilan’ny afo ireo zaza telo. Maty tsy tra-drano ilay 3 taona. Nentina namonjy hopitaly ireo mianadahy izay mbola nisy aina. “Tapitra ny ain’ilay zokiny ny harivan’ny alakamisy io. Namoy ny ainy ny zoma maraina ilay anadahiny”, araka ny fanazavan’ny renin’izy ireo.

Fifampikasohana herinaratra…

Nanamafy ny fianakavian’izy telo mianadahy fa tsy nisy afo nirehitra tao an-trano. “Fifampikasohana herinaratra teo amin’ny lecteur no ahina niteraka ny loza, raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana tonga tato aminay ”, hoy io renim-pianakaviana io. Etsy ankilany, manahy ilay renim-pianakaviana fa toe-javatra hafa no niteraka ny loza. Kila tsy nisy noraisina avokoa ny entana rehetra tao amin’izy ireo. Ho an’ny renin’ilay zaza 3 taona, izay zaobavin’ny renin’ireo mpianadahy maty, nody hariva avy nivaro-mandeha izy vao tankina nahalala ny fahafatesan-janany.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: