Andavamamba : mpandeha moto voatsatok’antsy

Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana iray 45 taona, teny Andavamamba, omaly vao maraina. Handeha hiasa any Tanjombato izy no nosakanan’ny jiolahy telo, teo amin’ny lalana mihazo an’Ilanivato Anosipatrana. Araka ny fanazavany teny amin’ny hopitaly, saika hangalatra ny moto nentiny ireo jiolahy, saingy niezaka nanohitra izy ka tsy lasa ny fananany. Ny roa lahy nibata azy teo ambony moto, raha nikasa hitondra ilay moto kosa ny jiolahy iray. Nanohitra izy ka izay no antony nahatonga ny iray nanindrona antsy azy. Afa-nitsoaka ihany anefa ity farany na teo aza ny ratra mafy nahazo azy. Lasa nitsoaka kosa ireo olon-dratsy rehefa tsy nahazo ilay moto. Niantso ny fianakaviany mba hitondra azy any amin’ny hopitaly ity raim-pianakaviana ity taorian’izay. Nahavariana tamin’ity fanafihana ity, nisy nahita ireo olona teo amin’ny manodidina saingy nijery fotsiny. Efa maro anefa ireo olona mifamezivezy amin’iny lalana iny saingy niady irery ity niharam-boina ity, raha ny fanazavany hatrany. Matetika manao fisafoana amin’iny lalana Andavamamba iny anefa ny mpitandro filaminana.

J.C

Partager sur: