Araka ny efa fantatsika, mirongatra ny areti-maso amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Areti-mifindra saingy azo tsaboina tsara. Midika izany fa tsy azo tsinontsinoavina ny fiparitahany. Toraka izany ny fomba fisehony amin’ny marary. Mitaky fitandremana lehibe sy matotra.
Tsy vitan’ny mpitsabo na ny mpitondra fanjakana samy irery ny fanentanana sy ny ady atao amin’ny fihanahany. Ny isam-batan’olona no tompon’andraikitra voalohany amin’ny tenany. Ny tsirairay no miantoka sy miaro ny fianakaviany. Na inona na inona zava-misy, mpanentana sy mpitarika ihany ny manampahefana manokana hanao izany.
Inona no tian-kambara? Mila mahay mifampitsinjo aloha Ramalagasy eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny tena zava-dehibe ny fitandroana ny fahadiovana, andaniny. Ny fanarahana ny toromarika, ankilany. Iaraha-miaina ny gaboraraka sy ny fitiavan-tena ka tsy mba hihainoana izay miteny. Ilay manao vain-drahalahy tsy maharary.
Efa nivoaka iny ny naoty, tsy ahafahana mivorivory. Inona anefa ny zava-miseho? Tsy misy miraharaha izay voasoratra. Zara fa misy mivakiloha ny fanentanana atao. Amin’ny ankapobeny, ataon’ny olona antsirambina ny “ainy”. Ny manahirana anefa dia malaky manome tsiny. Kenda vao domy aho Ranaotra! Ny fitondrana no mahazo tsiny.
Na izany aza, tsy hitompo teny fantatra hoe tena mahomby ihany koa anefa ilay fitondram-panjakana amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Betsaka ny lesoka mila fanavaozana, na ny resaka vonjy aina fotsiny aza. Vitan’ny tomponandraikitry ny hopitaly ny mijery fotsiny marary, mamela azy ho faty raha tsy misy vola. Toraka izany ny hopitalim-panjakana, mbola ahitana fahatapahan-jiro sy tsy fisian-drano. Ataon’ny vahoaka ahoana no hanaraka mpitari-bato vilam-bava? Fehiny, samia mahafehy ny anjara adidiny. Mahaiza mifampitsinjo!
r.r