Aynah eny amin’ny Fara West Café Faravohitra. Tsy nahazo ny “Prix RFI Musique 2023” izy. Tsy nitsanga-menatra kosa anefa, satria anisan’ireo natahoran’ny mpifaninana taminy. Mitohy hatrany ny lalana ho an’ity mpanakanto ity, ka hizara ny mozikany ho an’ireo mpankafy indray izy, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, eny Faravohitra.
Ny tafatafa ara-literatiora indray no ho hita eny amin’ny IFM Analakely amin’ity anio ity. Ny tantara an-tsary “Grand Frère” no horesahina mandritra izany. Hitarika izany tafatafa sy resadresaka izany i Dwa, mpanao tantara an-tsary.
Hisy ny fampiofanana teatra iarahana amin-dRavaloson Tsiory, ho an’ny ankizy 5 hatramin’ny 13 taona, ao anatin’ny tetikasa “Mampitia Teatra”. Tombony maro no azon’ny mpiofana ankoatra ny fahafehezana ny fototry ny teatra. Anisan’izany ny fampivoarana ny maha olona, fikoloana ny saina ary fifandraisana amin’ny hafa…
Azon’ny rehetra tsidihina, eny amin’ny IFM Analakely, ny fampirantiana ireo sanganasa sy fahatsiarovana an’i Ndrematoa, izay anisan’ny andrarezin’ny tantara an-tsary. Hita ao anatin’izany avokoa ireo sary sy asa tanana nataony fony fahavelony, eo ihany koa ny sarimihetsika, ahitana ny momba azy sy ny diany tany ampitan-dranomasina.