VAOVAO TAMBATRA

Vita ny asa fikojakojana ny milina famokarana rano eny Mandroseza, omaly. Nosoloina ny taribin-jiro, norantsanana ny hazo ary nodiovina ny sinibe «décanteur». Efa niverina amin’ny laoniny ny herinaratra sy ny famokarana rano ary tonga tsikelikely any amin’ny mpanjifa. Entanina ny mpanjifa handefa elaela ny paompy, mandra-piverin’ny rano amin’ny laoniny.

Mbola mikatona ny jono makamba (langouste sy crevette) any Manakara, faritra Fitovinany. Voakasik’izany ny any Ambinagny Marofototra, kaominina Vohimasina, toy ny ao amin’ny farihy Tampolo. Mampiavaka ny any an-toerana koa ny « huitres » sy ny drakaka. Manodidina ny 70 ny mpanjono any Marofototra izay efa anaty fikambanana daholo.

Mahatratra 4 tapitrisa ha ny velaran-tany sy ala simba harenin’ny tetikasa “Tefiala”. Novolavo­laina tamin’ny taona 2018 ity tetikasa ity, tafiditra ao anatin’ny tanjona hanarenana 100 tapitrisa ha aty Afrika ary 350 tapitrisa ha maneran-tany. Efa misy ny Paikadim-pirenena ho fanarenana ny tontolon’ny asa sy ny fotodrafitrasa maitso (SNRPF) eto amintsika.

Nivoaka ny antontam-baovao mirakitra ny lalàna mifehy ny ladoany, araka ny LFI 2024. Azon’ny rehetra atao ny mijery izany ao amin’ny tranokalan’ny Fadintseranana ao amin’ny rohy http://www.douanes.gov.mg/code-des-douanes/. Marihina fa maimaimpoana ny hahazoana izany, toy ny mahazatra.

Partager sur: