Sahamatevina Vatomandry : telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao Andasiben’ Antsampanana, omaly, ary maty tamin’ izany ny dahalo telo lahy izay avy any Mandoto, distrikan’ Antsirabe, sy Antananarivo, raha ny angom-baovao avy any Sahamatevina. Nandritra ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny ben’ny Tanànan’ i Sahamatevina, Radimby Voro Dénis, no nambarany fa andian-jiolahy maromaro izy ireo ary mirongo fitaovam-piadiana. Mpanakana fiara taksiborosy mampitohy an’ i Mahanoro sy Vatomandry amin’ Antananarivo manao lava alina izy ireo. Ny sabotsy alina teo indray, namaky tranombarotra iray ry zalahy, ka very tamin’ izany ny entana mora entina sy fanao sakafo ary lelavola 7 hetsy Ar. Vao nitranga anefa ity fanafihana tranombarotra amin’ny lalam-pirenena faha-11A ity dia nirohotra ny fokonolona niezaka nanara-dia nihazo an’ Antsampanana. Vokany, tratra tao Andasibe manakaiky an’ Antsampanana ny telo lahy ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Niezaka nanavotra ihany ny zandary, saingy tsy tana ny ain’ireo dahalo ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy amin’ny ben’ny Tanànan’i Sahamatevina.

Sajo

Partager sur: