Vono olona : mpanangom-bokatra maty voakapa famaky

Voakapa famaky teo amin’ny lohany sady voarasa antsy ny mpandraharaha iray ka namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana, tamin’ny sabotsy 6 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Mpivarotra any ambanivohitra ity lasibatra ity. Niala ny trano fonenany, nitondra moto ilay lehilahy, tamin’io andro io. Nosakanan’ny olon-tsy fantatra anefa izy. Tsy afa-nanohitra, avy hatrany dia nokapakapain’ireo tsivalahara famaky sy notriatriariny antsy ny tavan’io raim-pianakaviana io. Tsy nisy nikitika ny vola teny aminy. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday.
Manahy ny fianakaviany…
Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina, taorian’ny fitorian’ny fianakaviana, ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Voasambotra ny olona vitsivitsy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana. Tafavoaka ny fitsarana avokoa anefa izy ireo. Ankehi­triny, olona dimy hafa indray voasambotry ny zandary. Hato­lotra ny fampanoavana tsy ho ela avokoa izy dimy lahy ireo ka manahy indray ny fianakavian’ny lasibatra. Marihina, efa nisy nandroba ity mpandraharaha namoy ny ainy ity ny taona 2020. Efa lasibatra ny famonoana toy izao koa ny rafozan-dahiny.

Tsiferana R.

Partager sur: