TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny 20 janoary 2024, ny famoahana sy fampahafantarana ny katalaogin’i Madame Zo, novokarin’ny Fondation H. Hisy ny famelabelaran-kevitra maro iarahana amin’ny malagasy sy ny vahiny mpahay kanto. Eo koa ny fampisehoana ara-javakanto handravahana izany.

Handray anjara amin’ny « IFFR festival de Rotterdam », atao ny 25 janoary 2024 hatramin’ny 4 febroary 2024, ny « Zanatany, L’empreinte des linceuls esseulés » notontosain’i Hachimiya Ahamada. Sari­mi­hetsika izay mitantara ny zava-nisy tany Mahajanga, ny taona 1976. Sehatra matihanina voalohany ho azy izy ity.

Tafaverina indray ny atrikasa sy fanentanana mahakasika ny kilalao ho an’ny ankizy, iarahana amin’ny Al’stik. Eny amin’ny IFM Analakely, ny 17 janoary 2024 no hanatanterahina izany. Raha tsiahivina, kilalao manabe sy mitaiza ny ankizy, mifanaraka amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao no vokarin’ity vondrona ity.

Nisokatra ho an’ny rehetra, nanomboka ny sabotsy teo, ny atrikasa fampiofanana sary tanana sy hosodoko ary haikanto plastika. Ny eny amin’ny Maison sociale des Arts Ambatovinaky no mikarakara ny hetsika. Tanterahina, mandritra izany, ny fampahafantarana ireo mpiofana ny fototra sy ny tokony ho fantatra mahakasika ireo haikanto ireo.

Partager sur: