Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena.
Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny Praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny asa goavana nosahaniny ka nahafahana nanao tombana ny asa vitany, ny fandraisan’i Madagasikara, ny lalaon’ny Nosy natao ny volana aogositra sy septambra lasa teo. Tsiahivina fa raha teo amin’ny vokatra, tsara toerana i Madagasikara, tamin’iny lalaon’ny Nosy iny satria nahazo ny laharana voalohany, nanoloana ireo nosy rahavavy nifaninana tamintsika. Raha ny fifaninanana iraisam-pirenena hafa kosa, nahomby amin’ny ankapobeny ny atleta malagasy, nandritra ny fotoana nitantanan’ny minisitra Resampa ny tanora sy ny fanatanjahantena, tamin’iny taon-dasa iny. Antony lehibe anisan’ny nahavoatazona azy izany. Asa miandry ity minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ity sy laharam-pahamehana ny fiatrehan’ireo atleta ny fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’izany ny lalao Afrikanina izay hatao any Ghana afaka 2 volana latsaka. Andrasana ny fandraisana andraikitra amin’ny lafiny fanomanana sy ny hoenti-manana amin’izany. Aorian’izay, hisy ihany koa ny lalao olympika izay hatao any Paris, ka manana solontena amin’izany ihany koa i Madagasikara. Toraka izany, ny fifanintsanana amin’ny CAN sy ny fiadiana ny amboara maneran-tany, ho an’ny taranja baolina kitra sy ny taranja hafa izay samy manana ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehany avy, amin’ity taona ity.
Mi.Raz