INDRAY MIJERY

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’ny Nosy, noho ny fisian’ilay rivodoza Belal ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanan-kery hatramin’ny rahampitso ny fampitandremana.

Nisitraka “subvention” roa volana, fahadimy sy fahenina, tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 sy roa volana voalohany sy faharoa, amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ireo mpampianatra Fram, mampianatra eny anivon’ny kilasy Garabola sy ny EPP ary ny CEG ao amin’ny Cisco Kandreho. Toy izany koa ireo Fram ao amin’ny Cisco Maevatanana,Dren Betsiboka.

Vehivavy 72 avy amin’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny kaominina Masindray no niofana maimaimpoana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina. Tafiditra anatin’ny drafitrasa tanterahina anatin’ny 100 andro voalohany. Nokarakarain’ny sampandraharaham-paritry ny fampianarana teknika Analamanga, notanterahina tao amin’ny CFP Masindray. Nizarana vatotr’akoho ireo mpiofana hahafahan’izy ireo mampihatra ny fiofanana azony.

Naharitra herinandro ny fiofanan’ireo mpiantsehatra tetibolam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka foibe, hanatsarana ny fitantanana 2024. Anisan’ny vinan’ny filohan’ny Re­poblika rahateo ny fanjakana tsara tantana, ho an’ny fotoam-piasany faharoa.

Partager sur: