Nodorana avokoa ireo vary simba sy lo tratra tao Toamasina, ny herinandro teo. Mbola mitohy kosa ny famotorana lalina momba ny raharaha.
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha vary simba tratra tao Toamasina, ny herinandro teo. Hatramin’izao, mitohy ny famotorana lalina mahakasika ny raharaha. Na izany aza, nandray fepetra hentitra ny fitsarana ao an-toerana ka nodorana teny Antanandava, lalam-pirenena faharoa, omaly, ireo vary 83 taonina simba tao anaty gony 50 kilao ireo, miisa 1 676. Tsiahivina fa nambaran’ireo teratany karana tompon’entana fa miisa 1 100 kitapo ireo gonim-bary simba. Miisa 1 676 nefa izany taorian’ny nampidirana azy tao anaty kamiao. Nitady hevitra handaminana ny raharaha ireo teratany karana tompony saingy nolavin’ny tonian’ny fampanoavana izany ka noraisina ny fepetra fa ho potehina sy dorana avokoa ireo vary simba sy lo.
Fatiantoka
Tafakatra hatrany amin’ny 227 936 000Ar ny fatiantoky ny orinasa voalaza fa tompon’ireto vary simba ireto. Monina sy mipetraka any ivelany kosa ny tompon’izany raha mpiara-miasa aminy fotsiny ireo teratany karana roa lahy voasaringotra amin’ity raharaha ity. Ankoatra izay, fantatra tamin’ny fanadihadian’ireo teknisianina fa tsy mbola natoy no tsy maina tsara ireo vary nafarana ka nahatonga azy ho mora simba. Manampy trotraka ihany koa ny fahasimban’ireo kaontenera nitondrana izany sy ny toerana hitobiany rehefa tonga teto an-toerana. Manaraka izay, anisan’ny olana sedrain’ireo teratany karana mpanafatra vary ny fanafihana ataon’ireo jiolahin-tsambo any amin’ny ranomasina mena ka mahatara ny fahatongavan’ny vary eto Madagasikara. Antony mitarika ny fahamandoana eny ambony sambo.
Sajo sy Henintsoa Hani