Nigadona ao Toamasina ny sambo lehibe MS Bolette, nitondra mpizahatany 818. Sambo lehibe faharoa tonga ao an-toerana izy ity taorian’ilay sambo Hebridean Sky, nandalo tao ny 4 janoary teo. Mbola hanohy ny diany any Taolagnaro ny sambo MS Bolette raha efa avy nandalo tao Nosy Be sy izao ao Toamasina izao.
Nisitraka tohana masomboly voanjo milanja 7,755 taonina sy zezika biolojika 27, 390 taonina ireo mpifindra monina an-tsitrapo ao Bezeky, kaominina Analaiva, distrikan’i Morondava, ny alakamisy sy zoma teo. Tanjona ny hanampiana azy ireo sy ny hampitomboana ny vokatra mba hirosoana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Manodidina ny 30 000 ny zana-trondro azo tao amin’ny fokontany Bevolana, kaominina Matsiatra ambony, distrikan’i Lalangina-Matsiatra Ambony, taorian’ny fiofanana momba ny fiompiana trondro nomena ny tantsaha mpiompy. Atao izao ho fanohanana ireo mpiompy sy ho fampiroboroboana ny famokarana anaty rano.
Tafakatra hatrany amin’ny 6 543 miliara Ar ny vola niditra amin’ny kitampombolam-panjakana azo tamin’ireo sambo 43 nahazo alalana hanjono lamatra eto Madagasikara. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena malagasy ny sehatry ny jono. Mamelona tokantrano an’arivony sy mampiasa fianakaviana maro ny jono eto amintsika.