Jiolahy mahery vaika : sivy mianaka maty voatifitra

80 lahy nanafika tanàna tao Mandrosonoro. Nirefodrefotra ny basy, afakomaly. Voaroba ny fianakaviana iray. Raikitra ny fanarahan-dia. Sivily sivy mianaka matin’ny jiolahy.

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontanin’i Belavenona, kaominina Mandrosonoro, afakomaly ma­raina tamin’ny 4 ora. Ni­tam-piadiana ireo dahalo nanao be miditra tao an-tanana. Niharan’ny habibiana avy hatrany ny raim-pianakaviana 80 taona. Lasan’izy ireo ny omby 62 mahery. Vantany vao niseho ny fanafihana, nanara-dia ny fokonolona mivondrona anatin’ny lambamena sy ny mpitandro filaminana.

Tokony ho tamin’ny mitatao vovonana, nisy ny fifandonana tamin’ireo mpanara-dia sy malaso miisa 80. “Mitondra basy sy lefona avokoa ireo mpandroba ireo”, araka ny fanazavan’ny zandary ao Man­drosonoro. Nifamaly tifitra nandritra ny adin’iray ny andaniny sy ny ankilany. Vokany, lavo, maty voatifitra ny valo tamin’ireo vatan-dehilahy mandrafitra ny fikambanana lambamena ao an-toerana.
Marihina fa tsy nanana afa-tsy antsy sy sabatra lavalela ny mpanara-dia. Nahazo vahana tanteraka ireo dahalo ka nanampatra nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy.

Maratra mafy
Na nisy aza ny tsy fifandanjana teo amin’ny fitaovam-piadiana, tsy nilavo lefona hatramin’ny farany ireo fokonolona. Ankoatra ny valo lahy namoy ny ainy, misy dimy naman’izy ireo naratra mafy. Dahalo roa lahy hatramin’izao no fantatra fa namoy ny ainy.
Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ireo lambamena sy ny mpitandro filaminana. Nizotra nihazo ny distrikan’i Mahabo ity andian-dahalo ity, araka ny loharanom-baovao. Nisy vehivavy miisa efatra anisan’ireo dahalo nanao ny fandrobana.

Tsiferana R.

Partager sur: