Nandre anarana minisitra : vehivavy iray torana tao Sabotsy Namehana

Hafa kely indray! Torana tampoka teo am-pototry ny fahitalavitra ny renim-pianakaviana iray 40 taona, manambady, manan-janaka roa, monina ao Sabotsy Namehana, ny alahady alina teo. Antony, vao nandre ny anaran’ny minisitra iray naseho am-pahibemaso teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy dia torana avy hatrany, araka ny fitantaran’ireo zanany. Samy teo am-pijerena fahitalavitra izy mianakavy tao an-trano, tamin’io fotoana io. Nitambotsotra teo ambony seza nipetrahanay anefa izy tamin’ny fotoana nahafantarany ny anaran’ny minisitra iray. Nikoropaka avy hatrany ny tao an-trano ka nitondra azy haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nambaran’ireo zanany fa mpampianatra amina sekolim-panjakana izy sady mampianatra amina sekoly tsy miankina iray ao Sabotsy Namehana. Nahatsiaro fijaliana ity renim-pianakaviana ity tao anatin’ny fotoana ela nampianarany ka efa ela no nangataka mba hijerena manokana ny mpampianatra satria mahatsiaro ho an-jorombala hatrany izy ireo, araka ny nambaran’ireo zanany. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ka avotra soa aman-tsara ihany. Efa manana aretina mitaiza azy ity renim-pianakaviana ity, raha ny fanazavan’ireo zanany hatrany.

J.C

Partager sur: