Raim-pianakaviana 32 taona no maty natelin’ny ranomasina, ny alahady tolakandro teo. Mivahiny ao Toamasina izy miaraka amin’ny vady aman-janany. Vao herinandro izay no nahatongavan’izy ireo, avy any Manjakandriana. Teo akaikin’ny Club nautique izy no lasan’ny ranomasina, tamin’io fotoana io. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany niaraka taminy, nitarika ireo namany roa lahy izy mba hilomano saingy nanda izany ireto namany. «Mba tonga eto Toamasina ihany ve dia tsy hilomano an-dranomasina», hoy izy tamin’
ireo namany raha ny fitantarana hatrany. Nanala akanjo izy ka lasa niroboka tao anaty rano. Nahita izany ny namany iray, lasa nilomano ihany koa. Tampoka anefa, niantso vonjy izy. Niezaka nisintona azy ny namany fa toy ny misy misintona ihany koa izy. Voatery nanala ny tanany ilay namany ka tsy hita nanomboka teo ilay raim-pianakaviana, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo havany hatrany. Nandray ny andraikiny nanao fikarohana ny mponina teo amoron-dranomasina niaraka tamin’ny vondron’ny mpamonjy voina, teo koa ny ben’ny Tanànan’i Toamasina. Samy nanao fikarohana saingy niala maina avokoa ny alahady alina. Omaly maraina vao hita natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay raim-pianakaviana. Nambaran’ny fianakaviany fa kisoa ny laokan’izy ireo ny alahady atoandro. Fady olona mihinan-kisoa anefa ny ranomasina, araka ny nambaran’ireo raiamandreny ara-drazana ao Toamasina.
Sajo/J.C




