Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA): hampitombo ny famatsian-jiro ny foibe Ambohimanambola

Hisy fivoarany goavana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Hanana ny famokarany manokana ho azy ny Jirama eny Ambohimanambola.

Manan-danja amin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Antananarivo ny famatsiana amin’ny herinaratra. Anisan’ny paikady nofaritan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ny hanitarana ny foibe mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika eny Ambohimanambola. Hampiakatra ny famokarana herinaratra ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) izany. Mamatsy ny manodidina ny renivohitra mankany amin’ny tapany andrefana sy atsimo hatrany Antsirabe.
Famatsiam-bola madiodio avy amin’ny fanjakana foibe no enti-manana ny fananganana ny toby famokarana eny Ambohimanambola. Hameno sy hanampy ny filan’ny mpanjifa izay tsy mitsaha-mitombo, ankehitriny. Hamaha ny olan’ny tsy fahampiana mahatonga ny delestazy. Nilaza ny tomponandraikitra iray ao amin’ny minisitera MEH, fa: «mahatratra 105 MW ny herinaratra ho vokarina, ahitana gropy miisa fito, mamokatra 15 MW tsirairay avy».

Ho vita
Mihazakazaka ny fanorenana ny fotodrafitrasa eny Ambohimanambola. Tonga tany Toamasina, tamin’ny herinandro lasa teo, ny milina mampandeha ny famokarana herinaratra. Eo am-pikarakarana ny fampiakarana azy ireo aty Antananarivo ny teknisianina. Vinavinaina ho vita amin’ity taona ity ny asa rehetra. Vokany, hitombo ny famatsiana herinaratra ao anatin’ny tambajotra RIA Antananarivo.
Ankoatra izay, misy ny fandaharanasa hafa ataon’ny MEH sy ny Jirama entina hampitomboana sady hanapariahana ny famokarana herinaratra. Anisan’izany ny fametrahana ny toby lehibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro (PS) miisa 46, iarahana amin’ny Banky iraisam–pirenena. Manginy fotsiny ny fampiarahana ny famokarana herinaratra avy amin’ ny masoandro sy ny avy amin’ny solika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: