Vinavinaina hiakatra hatrany amin’ny 8 800 dolara ny vidin’ny varahina 1 taonina amin’ity taona 2024 ity, raha toa ka 8 523 dolara izany tamin’ny taon-dasa. Ny taona 2022, mitentina 8 788 dolara ny 1 taonina tamin’io akora io. Tokony ho voatazona ny vidin’ izany noho ny fihenan-danjan’ ny dolara. Mananosarotra rahateo ny famatsiana izany, noho ny fikatonan’ny toeram-pitrandrahana Cobre Panama. Ity farany izay misahana ny 1,5% amin’ny famokarana varahina maneran-tany. Etsy ankilany, voalaza fa hihoatra ny 467 000 taonina ny tolotra raha oharina amin’ny tinady amin’ity taona 2024 ity. Marihina fa 8 400 dolara ny taonina amin’io akora io tamin’ny fiandohan’ity volana janoary ity. Fantatra fa ny République Démocratique du Congo (RDC) sy i Zambie no tena mpamokatra varahina aty Afrika.
Anisan’ny mpamokatra koa i Botswana, Afrika Atsimo, Maroc ary i Erythrée.
Henintsoa H.