INDRAY MIJERY

Natao teny amin’ny fokontany Andraisoro ny fandraisana ny fanehoan-kevitr’ireo mponina, entina hanatsarana ny tanàna mahakasika ny tetikasa «pépinière urbaine». Tanjon’ny tetikasa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo toerana iombonana eny amin’ny fokontany. Iaraha-miasa amin’ny CUA, ny GRET, ny Cabanon vertical ary ny Agence française de Développement ny tetikasa.
Nanomboka ny taona 1993 ny fanabeazana skoto, Mpanazava sy Tily, ao amin’ny Akanin’ny marenina (Aka.ma). Mitondra ny laharana 119 CXIX ny fivondronana, izay mampihatra ny skotisma mampiaty voalohany (scoutisme inclusif) eto Madagasikara. Tsy mialonjafy fa afaka miditra ho mpikambana na mandre na tsia. Mitady mpiandraikitra izy ireo ankehitriny.
Nihaona indray tamin’ireo mpiara-miasa aminy, omaly, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, rehefa voatendry indray hitantana ity departemanta ity. Mitohy hatrany ny asa efa natomboka amin’ity taom-piasana manaraka ity. Nanentana ny mpiara-miasa hanohy ny firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina hanatanterahina ny asa sy ny vina ny minisitra.
Manohy ny asa fikojakojana ny lalana ny ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Teny Salazamay sy teny amin’ny hopitalikely indray no nanatanterahina izany nanomboka tamin’ity herinandro ity. Noho ny rotsakorana matetika dia mora simba ny lalana ao an-toerana ka miezaka mikojakoja matetika ny tomponandraikitra.

Partager sur: