“Milaza fahabangan-toerana ny And. 130 amin’ny lalàna 14-020 momba ny fanendrena Filohan’ny delegesiona manokana (PDS) eny anivon’ny kaominina. Efa nohamarinin’ny fitsarana izay fahabangan-toerana izay. Nefa ny zava-misy amin’izao, tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Noho izany, tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny zava-misy amin’izao. Mety tsy azo ampiharina loatra io And. 130 voalaza etsy aloha io. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mandinika sy manapa-kevitra ny amin’izay.
Etsy ankilan’izay, efa namoaka hevitra ny HCC, ny volana aogositra 2019, fa noho fitohizan’ny asam-panjakana dia afa-manohy ny asany amin’ny fampandehanana ny raharaha andavanandro ny ben’ny Tanàna mandra-pisian’ny fifidianana hanoloana azy. Noho izany, mila dinihina tsara ny hoe: tena mety ve ny hanaovana azy ho PDS? Satria mila ny fahabangan-toerana voamarin’ny fitsarana vao azo atao izay. Ny Praminisitra no mangataka ny hevitry ny HCC mba hamaritra izay tokony hatao amin’izao vanim-potoana izao: hanaraka ny hevitry ny HCC tamin’ny 2019 fa misy ny fitohizan’ny raharaham-panjakana sa hiditra amin’ny fanendrena PDS? Misy fepetra takina amin’ny fanendrena PDS.
R. Nd.